Torohevitra fikarakarana an-trano ireo ahiana ho marary na ireo tsy marary mafin’ny Covid-19

mose njo
5 min readJul 29, 2020

Ho an’izay tsy mila miditra hopitaly sy tsy afaka mankany amin’ny hopitaly, ary ho an’ireo izay ahiana ho voan’ny Covid-19 ihany koa, dia indreto ny torohevitra avy amin’ny OMS:

  • Antsoy ny dokotera, indrindra raha mihombo ny soritraretina, na sarotsarotra ny miaina.
  • Atoero ao amina efitra azon-drivotra ilay marary (misy varavarana misokatra sy varavarankely misokatra).
  • Fero ny mety ho fivezivezen’ilay marary ao an-trano, ary fero ihany koa ny toerana aleha ifampizarana aman’olon-kafa (oh: lakozia, ladosy). Mila azon-drivotra ireo toerana aleha ifampizarana ireo (aleo misokatra hatrany ny varavarankely).
  • Ireo mpiray trano dia tokony tsy miray efitra amin’ny marary ary, raha tsy afaka manao izany, dia tazony ny elanelana 1 metatra (oh: aza miray fandriana).
  • Fero ny isan’ny mpikarakara marary. Ny tsara indrindra, dia iray tokana monja ihany ary salama tsara sy tsy taizan’aretina izy. Tsy tokony hisy mpamangy mihitsy raha tsy efa sitrana tanteraka ilay marary ary tsy misy soritraretina Covid-19 intsony.
  • Diovy tsara hatrany ny tanana isaky ny mifanerasera amin’ilay marary na ny manodidina azy akaiky. Mila manadio tanana tsara hatrany ihany koa aloha sy aorian’ny fikarakarana sakafo, alohan’ny misakafo, aorian’ny mankany an-gabone, ary isaky ny maloto ny tanana.
  • Rehefa manasa tanana amin’ny rano sy savony, dia mampiasà serivieta madio ary soloy matetika.
  • Tokony manao maska ilay marary ary mila soloina isan’andro ilay maska. Ho an’izay tena tsy mahazaka manao maska dia tokony hentitra amin’ny fampiasana mosoara manarona tsara ny vava sy ny orona rehefa mikohaka, mievona sy manisin-delo. Ireo mosoara ampiasaina dia mila ahataka na sasana tsara isaky ny avy ampiasaina (oh: sasao amin’ny rano sy savony ny mosoara).
  • Tokony manao maska manarona ny vavany sy ny orony ireo mpikarakara marary rehefa iray efitra amin’ny marary. Tsy tokony kitihana ny maska rehefa anaovana. Raha mando na maloto ny maska dia tokony soloina maska maina sy madio eo no ho eo ihany. Rehefa hanala maska dia aza esorina avy eo anoloana fa vahao avy aty amin’ny sisiny. Ahataho avy hatrany ilay maska rehefa avy nesorina ary manasà tanana tsara.
  • Sorohy ny mahakitika mivantana hamandoam-batana, indrindra ny rora, ny hatsembohana, ary ny tay. Mampiasà gan-tanana fanary sy maska rehefa manampy miaina ny marary na manampy azy manao maloto. Manasà tanana alohan’ny manao gan-tanana sy maska ary aoriana.
  • Aza mampiasa fanindroany ilay maska sy gan-tanana avy nampiasana teo.
  • Mampiasà lamba sy kovera manokana ho an’ny marary; tokony sasana amin’ny rano sy savony izany rehefa avy eo ary mety mbola hampiasana indray fa tsy hariana.
  • Diovy isan’andro ireo faritra rehetra kitihan’ny marary, toy ny latabatra anilan’ny fandriana, sisim-pandriana, sy ny kojakoja samihafa ao an’efitra fandriana. Savony andavanandro na détergeant no tokony ampiasana voalohany rehefa manadio, dia avy eo, rehefa avy manakobana, dia tokony mampiasa désinfectant misy hypochlorite de sodium.
  • Diovy amin’ny rano sy savony ny akanjon’ny marary, ny lambam-pandrianany, sy ny serivieta. Atokano anaty garaba manokana ny akanjo maloton’ny marary. Aza ahetsiketsika ilay garaba ary sorohy ireo akanjo misy virosy tsy hahakitika ny hoditra sy ny akanjo.
  • Tokony mampiasa gan-tanana sy akanjo fiarovana rehefa manadio ny eran’ny trano sy mikirakira lamba sy akanjo misy hamandoam-batana. Miankina amin’ny toe-java-misy ny hoe gan-tanana fanary na fanasa no ampiasana. Rehefa avy ampiasana, dia tokony sasana amin’ny rano sy savony ny gan-tanana ary esorina ny virosy amin’ny alalan’ny hypochlorite de sodium. Ireo gan-tanana fanary dia mila ahataka isaky ny avy ariana. Manasà tanana alohan’ny anaovana gan-tanana sy aoriana.
  • Ny gan-tanana, ny maska ary ny zavatra rehetra nampiasana nandritra ny fikarakarana marary dia tokony apetraka ao anaty garaba misarona ao an’efitry ny marary.
  • Sorohy ny karazana fifampikasohana hafa amin’ny manodidina akaikin’ny marary (oh: mifampizara borosy nify, sigara, kovera, vilia, vera, serivieta, na lambam-pandriana).
  • Asaivo manao zavatra hatrany ny marary, toy ny manao sary, na manao mozika na manoratra, miresadresaka matetika amin’ny akaikin’ny fo, misakafo ara-dalàna sy mahasalama, matory tsara, mikotrana kely.

Tsy maintsy miantso dokotera hatrany hatrany.

Loharano:

https://www.who.int/publications/i/item/home-care-for-patients-with-suspected-novel-coronavirus-(ncov)-infection-presenting-with-mild-symptoms-and-management-of-contacts

--

--

mose njo

auteur sci-fi, founder of pepero ✨ "a madagascan renaissance man", according to google bard, chatgpt 4o and perplexity 👉 https://mosenjo.xyz/