Monologin’ny virosy, dika teny malagasy

mose njo
7 min readMar 19, 2020

Ampangino, ry olombelona, ny antson’adinareo badiaka. Avarino ny fangariham-balifatinareo amiko. Piho ny aloalon-kazavana anodidinanareo ny anarako. Izahay virosy itony, any an-kadim-bakiterian’ny tontolo, no tena tohivakana ara-potoana sy ara-kabaky ny aina eto an-Tany. Raha tsy izahay, tsy nahita masoandro ianareo, tsy nahita masoandro koa ny sela voalohany.

Razanareo izahay, toy ny vato sy ny lomotra, mbola ambonin’ny gidro. Misy anay na aiza na aiza misy anareo, any amin’ny tsy misy anareo misy anay. Anareo ny anareo, raha tsy mahita afa-tsy ny sahala aminareo ianareo eto amin’izao tontolo izao! Nefa indrindra indrindra, atsaharo ny milaza hoe izaho no mamono anareo. Tsy ny afitsoko amin’ny tamba-tselanareo no hahafaty anareo, fa ny tsifisian’ny tsabo eny aminareo samy ianareo. Raha tsy matimatin-karena ianareo samy ianareo sy mantsy ny voarin’ity planeta ity, mbola ampy ny farafaranareo, mbola ampy ny infirimieranareo sy ny milina mampiaina anareo tsy hahafaty anareo amin’ny fanimbana ketrehako amin’ny havokavokareo. Raha tsy notananareo tany anaty fiandrasan-ko faty ny antitrareo ary ny tomady tsy nogejainareo tany anaty sompitra betao voatanja-by, tsy tonga amin’izao ianareo. Raha tsy novainareo ny fidadasiky ny tontolo na hoe ny fidadasik’ireo tontolo izay vao omaly ny omaly no mbola maitso sy nilenodenoka fatratra, nifanjevo ery, tsy tamby isaina ny voariny, raha tsy novainareo tany ngazana migodàna ho an’ny fambolen-tokan’ny Mitovy sy ny Mihoatra izany, tsy afa-nambabo ny tendanareo rehetra maneran-tany aho. Raha tsy saika lasa kopia mitamberina endri-piaina tokana sy tsy zaka ianareo, nandritra iny taonjato lasa iny iray manontolo, tsy hihomana ny ho faty toy ny lalitra nafoy ao anaty ranon’ny riba maminareo ianareo. Raha tsy navelanareo ho banga, manify izaitsizy, tsy midika inona loatra ny tontolonareo, minoa ahy fa tsy nivezivezy toy ny ropilanina aho. Tamy aho hanatanteraka fotsiny ny didim-pitsarana famaizana izay efa ela no nangadonareo ho anareo ihany. Manao azafady aho, fa ianareo ihany, raha ny fahalalako azy, no namorona ilay teny hoe “Antoroposenina”. Ny voninahitra iray manontolon’izao voina izao, nobodoinareo ho anareo samirery ; andalana ho tanteraka izy ity, tara loatra raha izao vao holavina izany. Izay vanona indrindra aminareo mahalala tsara, tsy manana mpiray tsikombakomba afa-tsy ny fandaminam-piarahamoninareo aho, ny hatendanareo ny amin’ny “maridrefy lehibe” sy ny harinkareny, ny fanatisima amin’ny rafitra. Ny hany “malemy” dia ny rafitra. Ny ambiny, velona dia maty. Tsy misy “fahalemena” afa-tsy ny an’ireo mikendry ny famehezana, ny fanitarana sy ny fandavorariana azy. Jereo tsara aho: tsy inona aho fa lafiratsin’ilay Fahafatesana manjaka.

Atsaharo ny fanakianana ahy, ny fanamelohana ahy, ny fanenjehana ahy. Ny mipararetra anoloako. Sain-jaza izany. Indro ny soso-kevitro, dia ny fanakisaham-pijery: manam-pisainana an-kibony ny aina. Tsy voatery hoe lazaina vao afa-mitadidy sy mipaikady. Tsy voatery mpanjaka vao manapaka. Ny bakiteria sy ny virosy koa dia afaka mandidy manapaka. Jereo kokoa toy ny mpamonjy aho fa tsy toy ny mpamono. Anjaranareo ny hino na tsy hino, fa tonga aho hampijanona ilay milina izay tsy hitanareo intsony hoe aiza ny fampijanonana azy ankamehana. Tonga aho hampiato ilay fandehan-javatra nanao takalonaina anareo. Tonga aho haneho ny hagegen’izany ataonareo hoe “tokony ho izy”. “Ny manankina ny hanina, ny fiarovana, ny fahafahantsika mikolokolo ny tontolontsika amin’ny hafa dia tsikaritra izao fa hadalana…”…”Tsy misy fetra ara-teti-bola, tsy voasanda ny fahasalamana”: jereo fa voavadiko ny lela sy ny sain’ireo mpitondra! Jereo fa naroroko amin’ny tena sarangany marina, tia kely mahonena, nefa matin-kambo ambonin’izany! Jereo fa manamelo-tena ho tsy ilaina akory, sady mpanimba! Ho an’ireny ianareo dia tohatra fiakarana fotsiny ho amin’ny fanohizana ny rafitra an-dry zareo, izany hoe mbola andevo latsaka fahefany. Na ny zava-manana aina kiritika aza mbola tsy misy dikany noho ianareo.

Aza manameloka azy anefa, na izany aza, aza manondraka kiana azy, manameloka ny tsifahampiany. Ny miampanga tsifiraharahiana azy, dia mbola manome azy mihoatra noho izay mendrika ho azy. Manontania tena kosa hoe amin’ny fomba ahoana mihitsy no nahavitanao niaritra ny fitondrany. Ny mandoka ny safidy sinoa noho ny safidy britanika, ny vahaolana imperialisitra-lejisitra noho ny fombafanao daroinisitra-liberalina, dia tsy fahazoana na ny andaniny na ny ankilany, ny lozan’ny andininy sy ny lozan’ny ankilany. Hatramin’i Quesnay, ny “liberalina” dia nitsiriritra ny fanjakambe sinoa ; dia mbola mitohy izany. Kambana ireny. Raha ny andaniny mangeja anao anaty tombontsoanao moa ny ankilany ao anatin’ny tombontsoan’ny “fiarahamonina”, dia samy manosy ny hany famindra tsy nihilisitra : mikolokolo ny tena, ireo akaikin’ny fo ary ireo izay tiana ao anatin’ireo izay tsy fantatra. Aza mamela an’ireo izay nitarika anareo ao an-tevana hilaza aminareo fa hainy ny hanaisotra anareo ao: ny hany ataon’ireo dia hanomana afobe voavolavola kokoa fotsiny, fasana lalim-be kokoa fotsiny. Amin’ny andro tena hahavitany izany, handefa tafika hisafo izy any an-danitra any.

Izaho kokoa isaorana. Raha tsy noho izaho, mbola hafiriana hatrany, no tsy azo iadian-kevitra ireo zavatra lazaina ho ilaina nefa tampoka teo didiana ny fiatoany? Ny fanatontoloana, ny fifaninanana, ny zotra an’habakabaka, ny famerana ny teti-bola, ny fifidianana, ny filatron’ny fanatanjahan-tena an-tele, Disneyland, ny efitranom-pitinesy, ny ankabeazan’ny tsena, ny antenimieram-pirenena, ny fanidiana an-tsekoly, ny famoriam-bahoaka, ny betsaka amin’ny asam-panjakana, izato fahaiza-mifandray aman’olona katry izay tsy inona fa lafiratsin’ny fahanginana am-pitebitebin’ny monady an-tanàn-dehibe : hay ireny rehetra ireny kay ka tsy hoe tena nilaina akory, vantany vao nipoitra ny didy afa-mandika lalàna hisakanana loza goavana. Izaho isaorana noho izato sedram-pahamarinan’ny herinandro manaraka eo: ela ny ela, hiaina ny fiainanareo ianareo, tsy hisy intsony ny fitsoahana, izay nahafahanareo niaritra izany. Tsy tonga saina akory ianareo, nefa mbola tsy nifindra trano tany amin’ny tena fiainanareo. Anisan’ireny baoritra misy entana ireny fotsiny ianareo, saingy tsy fantatrareo izany. Manomboka izao, hiaina anivon’ny akaikinareo ianareo. Hiaina ao aminareo. Hitsahatra tsy ho eo Ambohimandrapiavindrafahafatesena intsony. Hankahalanareo ny vadinareo. Hampihoaka anareo ny zanakareo. Angamba, mety haniry ianareo, hanapoaka ny ravaky ny andavanandronareo. Ny tena marina, tsy niaina intsony ianareo, teny amin’ireny tanàn-dehibe manasaraka ireny. Ny tontolonareo dia tsy nahafaha-miaina intsony amin’ny lafiny rehetra raha tsy hoe mitsoaka tsy an-kiato. Tsy maintsy nandonto saina sy niala voly noho ny haratsian-tarehy mibahan-toerana. Ary ny tsangam-batana dia nanjaka teny anelanelan’ny olona. Nahomby loatra izany rehetra izany hany ka tsy nisy dikany intsony ny zava-drehetra. Izaho isaorana amin’izany rehetra izany, sady tongasoa eto an-Tany!

Noho izaho, ao anaty fotoana tsy voafaritra, tsy hiasa intsony ianareo, tsy ho any an-tsekoly ny zanakareo, kanefa mifanohitra amin’ny fialantsasatra izany. Ny fialantsasatra dia ilay habaka mila fenoina mafy mandrapiandry ny fotoana hiverenana hiasa. Fa eto, ny misokatra manoloanareo, noho izaho, tsy habaka voafefy, fa babangoana goavana. Esoriko aminareo ny lahasa. Tsy hahalala ianareo raha hiverina ilay tsy-tontolo teo aloha. Izato tsisidikany mampidi-bola rehetra izato anie ka mety hisinda. Rehefa zatra tsy mandray karama, inona no moa fa tsy mandeha ho azy koa hoe tsy handoa hofan-trano? Fa maninona no handoa trosa any amin’ny banky nefa tsy afaka miasa? Tsy mamono tena ve raha, any ampara any, miaina amina toerana tsy afaka akory ny hamboly ny zaridainany? Izay tsy manam-bola akory tsy midika hoe hitsahatra tsy hisakafo, izay manana angady, manam-bary am-bilia. Izaho isaorana: apetrako an-tongon-tsampanana mandrafitra ankolaka ny fiainanareo ianareo: ny harinkarena sa ny aina. Anareo no milalao. Ara-tantara ilay voka-tsafidy. Na mandidy anareo ireo mpitondra ny fitondrany maningana na ianareo mamorona ny anareo. Na ianareo mamikitra ny marina ekena ampara, na ianareo mitsambiki-mikimpy. Na ianareo mampiasa ny fotoana omeko anareo hamantarana ny tontolo izay ho avy amin’ny alalan’ny leson’ny firodanana efa mitranga, na vitany tanteraka ny fanenjanany. Tapitra ny loza rehefa tapitra ny harinkarena. Ny harinkarena no zava-doza. Talohan’ny iray volana lasa izany tombana. Izao izany zava-misy. Tsy misy tsy mahalala ny polisy ilaina, ny fitsikilovana, ny propagandy, ny tamba-damina sy ny teleasa hanilihana izany.

Eo anatrehako, aza mikoropoka, aza minia tsy mahita. Aza mikorotan-tsaina faobe noho ny politikam-belona. Hahatsiravina ny herinandro manaraka, hamizana, tsy hitsitsy. Hidanadana ny varavaran-dRafahafatesana. Izaho no mpandrava indrindra amin’ny mpamokatra ny fandravan’ny famokarana. Tamy aho hamerina ny babangoana amin’ireo nihilisitra. Mbola tsy nibaribary toy izao ny tsirariny eto an-tany. Tsy ianareo no aleviko, fa riba. Ireo izay te hiaina, dia mila fahazaram-baovao, anazy manokana. Ny manalavitra anahy dia fanararaotana hamoronan-tena indray, famehezana ny haifisintahana vaovao. Ny haiarahaba, izay somary nangarihan’ny sasany hoe hiorim-paka, dia tsy hanaraka fitsipika na inona na inona intsony. Hamaritra ny tsirairay. Aza manao an’izao “ho an’ny hafa”, ho an’ny “mponina” na ho an’ny “fiarahamonina”, manaova izany ho an’ny akaikinao. Kolokoloy ny namanao sy ny fitiavanao. Miaraha misaina miaraka aminy, fomba fiaina vaovao. Manangàna vondron’olombitsy vanom-piaina, itaro ireny, dia tsy hisy azoko atao amotrahana anao. Inty dia antso avo tsy ho amin’ny fiverenana masiakan’ny fitsipi-dalàna, fa ho an’ny fantoka. Tsy ho amin’ny fiafaran’ny tsifiraikana, fa ny tsifitandremana. Inona no mbola ho lesona hafa omeko anareo hampahatsiahivana anareo fa ny fanavotana dia ao anatin’ny fihetsika rehetra? Hoe ny rehetra dia ao anatin’ny kiritika indrindra.

Nila tonga saina aho: ny olombelona dia tsy manontany afa-tsy fanontaniana tsy afaka ny tsy anontaniany intsony.

***

PS: j’ai traduit en malgache ce texte “Monologue du virus” qui m’a semblé intéressant. Je n’en partage pas les idées, du moins pas toutes, ni même le fond, mais je le trouve propice à une réflexion. Une réflexion nécessaire, plus que nécessaire… Par ni même le fond, je veux dire, je ne suis pas nihiliste, et je ne suis même pas sûr que ce texte soit nihiliste, et je ne comprends pas cette posture, mais je peux comprendre la pertinence de ce texte, et je le trouve sujet à réflexion.

Loharano:

--

--

mose njo

auteur sci-fi, founder of pepero ✨ "a madagascan renaissance man", according to google bard, chatgpt 4o and perplexity 👉 https://mosenjo.xyz/