Kabarin’i Greta Thunberg, Firenena Mikambana, Hetsika ho an’ny Toetany, 23.09.2019, dika teny malagasy

mose njo
3 min readSep 24, 2019
Johannes Eisele/AFP/Getty Images

“Hanara-maso anareo izahay, izay ny hafatro.

Tsisy mandeha amin’izay laoniny izao zavatra izao. Tsy tokony ho eto akory aho. Tokony hiverina any an-tsekoly atsy ampitan-dranomasina atsy. Nefa dia mbola sahy ianareo mitodika aty aminay tanora hikatsaka fanantenana. Izato fahasahianareo!

Nangalarinareo ny nofiko sy ny fahazazako amin’ny vavanareo poakaty. Nefa izaho miteny ity aza dia anisan’ireo nahazo tombony. Ny olona any mijaly. Ny olona any maty. Ny tamba-tontolo iainana iray manontolo ity mirodana. Eo am-piandohana fandringanana faobe isika izao, dia ny hany zavatra resahanareo dia vola sy habobo momba an’izany fihombon’ny harinkarena izany. Izato fahasahianareo!

Nandritra ny 30 taona mahery, mazava tsara ny siantsa. Izato fahasahianareo mbola mody tsy mahita hatrany sady mbola tonga eto milaza fa efa ampy tsara ny ataonareo, nefa ny politika sy ny vahaolana ilaina dia tsy misy taza-maso akory na ny pitiny aza.

Hoy ianareo hoe mihaino anay ianareo ary azonareo hoe maika loatra izato izy. Kanefa na malahelo toy ny inona aza aho, na tezitra toy ny inona aza aho, tsy te hino an’izany aho. Satria raha tena azonareo tokoa ilay zava-mitranga ary raha mbola tsy manao ny tokony ataonareo ianareo, dia ratsy fanahy ianareo ny dikany. Ary tsy te hino an’izany aho.

Maro no mihevitra fa ny fampihenana antsasaka ny famoahana eton-karibonina ao anatin’ny 10 taona dia hanome antsika fetezana hitranga 50% ny hijanonana ambanin’ny 1,5 degre, ary izany dia mety hitarika tranga mifampiankina mifampitohitohy tsy mitampody tsy azontsika hatao na inona na inona.

Izany dimampolo isan-jato izany, mety azo ekena izany, ho anareo. Saingy tsy tafiditra ao anatin’ireny tarehimarika ireny ny tebo-pitsimbadihana, ny ankabeazan’ny do-miverin’ny faribolan-kodina, mbola miampy ny fihafana takonan’ny rivo-mandoto manapoizina na ny lafiny hafa amin’ny hitsiny sy ny rariny ara-toetany. Dia mbola manantena ny indray mihiranay ihany koa izy ireo hitsentsitra an’ireo an-jaton-davitrisa taonin’ireo CO2 anareo hiala ny rivotra amin’ny alalan’ny tekinolojia zara raha mbola miforona akory.

Noho izany, tsy azonay ekena tsotra izao izany fetezana hitranga 50% izany — izahay izay tsy manan-tsafidy fa hiaina ny voka-dratsin’izany.

Raha te hahazo fetezana hitranga 67% hijanona ambanin’ny 1,5 degre ny fiakaran’ny mari-pana maneran-tany — izany no tombana tsara indrindra nomen’ny [Vondrona Ifandraisan’ny Manam-pahaizana manokana amin’ny Fiovan’ny Toetany] — ny tany dia nanana 420 gigataonina ana CO2 sisa azo navoaka tamin’ny 1 Janoary 2018. Amin’izao isika miresaka izao, efa latsaky ny 350 gigataonina izany tarehimarika izany.

Izato fahasahianareo miseho milaza fa izany dia voavaha amina fomba ‘toy ny mahazatra’ ary amin’ny alalana vahaolana ara-tekinika vitsivitsy? Amin’izao haavon’ny famoahana eton-karibonina izao, ny sisa CO2 dia ho ringana tanteraka ao anatin’ny 8 taona sy tapany.

Tsy hisy vahaolana na planina mifanentana amin’ireo tarehimarika ireo azontsika aroso amin’izao isika miresaka izao, satria ireo tarehimarika ireo dia manahirana loatra. Ary mbola tsy mety matotra tsara ianareo hanambara izany araka izany.

Mandiso fanantanena anay ianareo. Saingy izao, ny tanora dia efa manomboka tonga saina amin’ny famitahanareo anay. Ny mason’ny indray mihira hoavy rehetra dia mitodika any aminareo avokoa. Ka raha misafidy ianareo ny handiso fanantenana anay, dia izao no lazaiko aminareo: Tsy hamela anareo na rahoviana na rahoviana izahay.

Tsy hamela anareo ho afa-bela amin’ity izahay. Eto, amin’izao fotoana izao, ny toerana hanoritanay ny tsipika. Manomboka mifoha ny tontolo. Ary efa an-dalana ny fiovana, na tianareo izany na tsy tianareo.

Misaotra.”

— Greta Thunberg

***

Loharano:

--

--

mose njo

auteur sci-fi, founder of pepero ✨ "a madagascan renaissance man", according to google bard, chatgpt 4o and perplexity 👉 https://mosenjo.xyz/