Fanambarana ny Zon’Olombelona sy ny Olompirenena, ny 1789, dika teny malagasy

mose njo
5 min readJul 14, 2019
Fanorenana ny Antenimieram-pirenena sy Fianianan’ny solombavambahoakan’i Versailles ny 17 jiona 1789 ; hosodokon’i J.M. Moreau — Loharano: BnF Gallica

Notakarina tamin’ny fanambarana ny fahaleovantena amerikanina ny 1776 sy tamin’ny ny foto-kevitra ara-pilozofian’ny taonjato faha XVIII, ny Fanambarana ny Zon’Olombelona sy ny Olompirenena ny 1789 dia manamarika ny fiafaran’ny Fitondram-panjakana Taloha sy ny fanombohana vanim-potoana vaovao. Mifangia mazava amin’ny Lalàm-panorenan’ny Repobilika faha V, anisan’ny lahatenintsika fototra izy amin’izao.

Tantara

Ny Fanambarana ny Zon’Olombelona sy ny Olompirenena dia, noho ny didy nivoaka ny 4 sy 11 aogositra 1789 mikasika ny fanafoanana ny zom-piandrianana, anisan’ny lahateny fototra voafidy tao amin’ny Antenimieram-pirenena mpanorina nijoro taorian’ny fivorian’ny Zaikabe.

Nekena ny foto-pisiany mialoha ny 14 jolay 1789, niteraka fanefena tetikasa maro izany. Taoriana fifampidinihana ela, nandany fara lahateny ny solombavambahoaka ny 26 aogositra 1789.

Izany dia ahitana sasin-teny sy andininy 17 izay mirakitra fandrindrana mikasika ny tsirairay sy ny Firenena. Mamaritra ny zo “voajanahary sy tsy efan’ny fotoana” toy ny fahafahana, ny fananana, ny antoka, ny fanoherana ny famoretana. Ny Fanambarana dia manaiky ihany koa ny fitoviana, eo anoloan’ny lalàna sy ny fitsarana, ohatra. Mametraka indrindra ny foto-pahalalana ny fisaraham-pahefana.

Tsy nankatoavin’i Louis XVI raha tsy ny 5 oktobra noho ny fanosehan’ny Antenimiera sy ny vahoaka namonjy an’i Versailles, izany dia lasa sasin-tenin’ny Lalàm-panorenana voalohan’ny Tolom-piavotana Frantsay, nekena ny 1791. Na dia nolavin’ilay Tolom-piavotana aza, taty aoriana, ny foto-keviny sasany ary namolavola fanambarana roa hafa ho an’ny Zon’Olombelona izy ny 1798 sy 1795, ilay lahateny tamin’ny 26 aogositra no lasa fototra ho an’ny rafitsika, ohatra amin’ny Lalàm-panorenana ny 1852, 1946 sy 1958. Ny Fanambarana ny 1789 dia nanakarana, tamin’ny taonjato faha XIX, lahateny manahatahaka azy tany amina firenena maron’ny Eoropa sy Amerika latina. Ny lova ara-tolom-piavotana frantsay dia mitoetra ihany koa ao amin’ny Lalàm-panorenana eoropeanin’ny Zon’Olombelona nosoniavina tany Roma ny 4 novambra 1950.

Mitari-dalana ny vahoaka ny Fahafahana, Eugène Delacroix , ny 28 jolay 1830

Lahateny

Ny solon-tenan’ny mponina frantsay, mivondrona ho Antenimieram-pirenena, mahatsinjo fa ny habadoana, ny fanadinoana na ny fanebahana ny zon’olombelona no hany antony mampisy ny fahoriana iombonona sy ny kolikolin’ny goverinemanta, dia tapa-kevitra fa haneho, amin’ny alalan’ny fanambarana ampahibemaso, ny zo voajanahary, tsy azo foanana ary masin’ny olombelona, ka hahatonga an’ity fanambarana ity, hitoetra mandrakariva ho an’ny vondrom-piarahamonina, mampahatsiahy azy tsy an-kiato ny zony sy ny adidiny ; ka hahatonga ny fihetsi-pahefana mpanao lalàna sy ny fihetsi-pahefana mpanatanteraka, izay afaka na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ampitahaina amin’ny tanjon’ny rafi-politika, ho voahaja kokoa ; ka hahatonga ny fitakian’ny olompirenena, miorina noho izany amin’ny foto-pahalalana tsotra sy tsy azo lavina, miasa hatrany hatrany ho an’ny fitandrovana ny Lalàm-panorenana sy ny hasambaran’ny rehetra.

Hany ka, ny Antenimieram-pirenena dia manaiky sy manambara, eo imaso sy eo ambany fiahian’ilay Izy Faratampony, ireto zon’olombelona sy ny olompirenena manaraka ireto.

Andininy voalohany

- Ny olombelona dia teraka sady mitoetra sahala sy mitovy zo. Ny fahasamihafan-tsarangana dia tsy afaka mifototra afa-tsy amin’ny fikatsahan-tombontsoa iombonana.

Andininy 2.

- Ny tanjon’ny fikambanana ara-politika rehetra dia ny fitandroana ny zo voajanahary sy tsy efan’ny fotoana an’ny olombelona. Izany zo izany dia ny fahafahana, ny fananana, ny antoka, ary ny fanoherana ny famoretana.

Andininy 3.

- Ny foto-pahalalana ny fiandrianam-pirenena rehetra dia mitoetra indrindra indrindra ao amin’ny Firenena. Tsy misy na vondrona, na olona afaka mampihatra fahefana tsy avy aminy avy hatrany.

Andininy 4.

- Ny fahafahana dia midika fa afaka manao ny zava-drehetra tsy mandoza ny hafa : noho izany, ny fampiharana ny zo voajanaharin’ny tsirairay dia tsy misy fetra afa-tsy ny antoka izay ananan’ny mpikambana hafa ao amin’ny fiarahamonina momba ny fianohany ireny zo iombonana ireny. Ny fetra dia tsy afaka hisy hamaritra afa-tsy ny lalàna irery ihany.

Andininy 5.

Ny lalàna dia tsy manan-jo hiaro afa-tsy izay mikasika ny hetsika manimba ny fiarahamonina. Izay rehetra tsy arovan’ny lalàna dia tsy azo sakanana, ary tsy misy afaka hanery azy hanao izay tsy didiany.

Andininy 6.

- Ny lalàna dia fanehoana ny sitrapo ankapobeny. Ny olompirenena rehetra dia manan-jo hirotsaka izy tenany na amin’ny alalan’ny mpisolotena azy amin’ny fiofanana izany. Mila mitovy izany ho an’ny rehetra, na miaro izy, na manasazy. Ny olompirenena rehetra, satria mitovy eo ambany masony, dia afaka miditra araka izany, amin’ny raharaha ambony, toerana sy asam-panjakana, miankina ny fahaizany ary tsy misy sivana hafa ankoatra ny hatsaram-pitondran-tenany sy ny talentany.

Andininy 7.

- Tsy misy olona azo ampangaina, gadraina na gejaina afa-tsy amin’ny tranga voafaritry ny lalàna sy ao anatin’ny endrika voarakiny. Ireo izay mikasatsaka, mandefa, manatanteraka na mampanatanteraka didy boraingina dia mila sazina ; fa ny olompirenena voaantso na voatana noho ny lalàna dia mila manaiky izany avy hatrany ; lasa voameloka fanoherana izy.

Andininy 8.

- Ny lalàna dia tsy tokony mamaritra afa-tsy sazy izay tena ilaina sy mazava ho azy irery ihany, ary tsy misy azo sazina afa-tsy noho ny lalàna mitoetra sy nivoaka talohan’ilay heloka, sy mihatra ara-dalàna.

Andininy 9.

Ny olona rehetra dia heverina ho tsy meloka mialohan’ny fanambarana azy ho meloka, raha hita fa tena ilaina ny misambotra azy, izay hetsika rehetra tsy ilaina akory anatanterahana izany dia mila sazin’ny lalàna mafy.

Andininy 10.

- Tsy misy olona azo enjehina noho ny heviny, na ara-pinoana aza, raha mbola tsy miteraka hetsika manakorontana ny filaminam-bahoaka voafaritry ny lalàna.

Andininy 11.

- Ny fahafaha-maneho ny fisainana sy ny hevitra dia anisan’ny zo manan-danja indrindra ho an’ny olombelona ; ny olombelona rehetra noho izany dia afaka miteny, manoratra, manaprinty an-kahalalahana, raha tsy hoe angaha misy fanaranana izany fahafahana izany amina tranga voafaritry ny lalàna.

Andininy 12.

- Ny antoky ny zon’olombelona sy ny olompirenena dia mitaky tanjaka iombonana ; izany tanjaka izany dia ajoro ho an’ny tombontsoan’ny rehetra, fa tsy ho ana tombontsoa manokan’ireo izay ametrahana azy.

Andininy 13.

- Ho an’ny fikojakojana ny tanjaka iombonana, sy ho an’ny fandanian’ny rafitra, tsy azo ialana ny fandraisana anjara faobe ; ilaina ihany koa ny maninjara izany eny anivon’ny olompirenena, noho ny toetrany.

Andininy 14.

- Ny olompirenena dia manan-jo hanara-maso, izy tenany na amin’ny alalan’ny mpisolotena azy, ny zava-dehiben’ny fandraisana anjara iombonana, ny mankatò izany an-kalalahana, ny manaraka ny fampiasana izany, sy ny mamaritra ny latsakemboka, ny sandan-ketra, ny fitakiana sy ny fe-potoana.

Andininy 15.

- Ny fiarahamonina dia manan-jo mitaky ny kaonty amin’ireo mpiasam-panjakana rehetra ao amin’ny rafitra misy azy.

Andininy 16.

- Ny fiarahamonina rehetra izay tsy manome antoka ny zo sy tsy mamaritra ny fitsinjaram-pahefana, dia tsy mba manana Lalàm-panorenana.

Andininy 17.

- Satria ny fananana dia zo tsy azo ivadihana sy masina, tsy misy mahazo anaisorana izany, raha tsy hoe angaha, ny filàna iombonana, tsikaritry ny lalàna, no mitaky izany mazava ho azy, ary ny fepetra dia ny fanonerana ara-drariny sy mialoha.

Tao amin’ny rohin’ny Elysée.fr

***

Loharano:

--

--

mose njo

auteur sci-fi, founder of pepero ✨ "a madagascan renaissance man", according to google bard, chatgpt 4o and perplexity 👉 https://mosenjo.xyz/