Fanambarana Maneran-Tany ny Zon’Olombelona, dika teny malagasy

mose njo
8 min readNov 4, 2021
Eleanor Roosevelt mitazona afisin’ny Fanambarana Maneran-Tany ny Zon’Olombelona (amin’ny teny anglisy), tao New York, ny taona 1949.

Sasin-teny

Mahatsinjo fa ny fanekena ny fahamendrehana tsiafamisaraka amin’ny mpikambana rehetra amin’ny mpianakavin’ny olombelona sy ny zony mitovy sady tsy azo foanana no fototry ny fahalalahana, ny rariny sy ny fandriampahalemana maneran-tany.

Mahatsinjo fa ny tsifahalalana sy ny faniratsirana ny zon’olombelona dia nitarika habibiana mampitroatra ny feon’ny fieritreretan’ny olombelona, ary ny fiavian’ny tontolo ahafahan’ny olombelona mankasitraka fahalalahana maneho hevitra sy misafidy finoana, manalavitra horohoro sy fahoriana, dia nambara ampahibemaso ho hetaheta faratampon’ny olombelona.

Mahatsinjo fa zava-dehibe loatra ny hoe ny zon’olombelona dia arovana fitondrana tan-dalàna mba tsy ho voatery, raha sendran’ny tsipaky ny miala aina, amin’ny tolona manoloana ny jadona sy ny tsindry hazo lena.

Mahatsinjo fa zava-dehibe loatra ny mandrisika ny firoboroboan’ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’ny samy firenena.

Mahatsinjo fa ny Satan’ny mponin’ny Firenena Mikambana dia nanambara ampahibemaso indray ny finoany ny zo fototry ny olombelona, anatin’ny fahamendrehana sy ny hasin’ny olona, anatin’ny fitovian-jon’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary nanapa-kevitra hanambina ny fandrosoam-piarahamonina sy hametraka toe-piainana tsara kokoa anatina fahalalahana lehibe kokoa.

Mahatsinjo fa ny Fanjakana Mpikambana dia nanome toky fa hiantoka, miara-dia amin’ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana, ny fanajana maneran-tany sy mihatra ny zon’olombelona sy fahalalahana fototra.

Mahatsinjo fa ny fitoviam-pijery an’ireo zo sy fahalalahana ireo dia zava-dehibe loatra hahafeno tanteraka izao fifanekena.

Ny Fivoriam-Be,

Dia manambara ampahimbemaso fa izao Fanambarana Maneran-Tany ny Zon’Olombelona izao no fenitra iombononan’ny zava-bita ho an’ny mponina rehetra sy ny firenena rehetra mba ho ny isam-batan’olona rehetra sy ny sampam-piarahamonina rehetra, manana an’ity Fanambarana ity an-tsainy mandrakariva, dia miezaka amin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fanabeazana, hampiroborobo ny fanajana an’ireo zo sy fahalalahana sy hiantoka amin’ny alalan’ny fepetra miandalandalana anaty firenena iray sy iraisam-pirenena, ny fankatoavana sy ny fampiharana maneran-tany sy mahomby, na anatin’ireo mponin’ny Fanjakana Mpikambana na anatin’ireo faritra eo ambany fifehezany.

Andininy voalohany

Ny olombelona rehetra dia teraka afaka sy mitovy amin’ny fahamendrehany sy ny zony. Ombana saina sy feon’ny fieritreretana ary miadidy hifampitondra ao anatina toe-tsaina ara-pirahalahiana.

Andininy 2

Ny isambatanolona dia afaka mahazo tombony amin’ny zony rehetra sy ny fahafahany rehetra nambara ampahibemaso ato amin’izao Fanambarana, tsy an-kanavaka, indrindra ny firazanana, ny volon-koditra, ny sekisa, ny fiteny, ny vondrompinoana, ny fihevitra ara-politika na fihevitra hafa rehetra, ny zompirenena na ara-tsosialy, ara-karena, ara-pahaterahana na tranga hafa rehetra.

Ankoatr’izay, tsy hisy fanavakavahana mifototra amin’ny sata politika, ara-pitsarana na maneran-tanina firenena na faritra niavian’ny olona iray, na mahaleo tena io firenena na faritra io, mahatoky, na tsy mizaka tena na eo ambany famerana fiandrianana hafa.

Andininy 3

Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny aina, amin’ny fahalalahana sy amin’ny fiarovana ny tenany.

Andininy 4

Tsy misy na olona iray aza azo tazonina anaty fanandevozana na fanompoana; ny fanandevozana sy ny tsenan’andevo dia voarara amin’ny endriny rehetra.

Andininy 5

Tsy misy na olona iray aza azo iharan’ny fampijaliana na sazy feno fabibiana, tsy mifaditrovana na manambany.

Andininy 6

Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fankatoavana amin’ny mahaizy azy na aiza na aiza eo anatrehan’ny lalàna.

Andininy 7

Ny isambatanolona dia mitovy eo anatrehan’ny lalàna ary manan-jo tsy an-kanavaka amin’ny fiarovana mitovy amin’ny lalàna.

Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fiarovana mitovy manoloana izay mety ho fanavakavahana mandika izao Fanambarana izao sy manoloana fihantsiana amin’izany fanavakavahana izany.

Andininy 8

Ny isambatanolona dia manan-jo hizaha vahaolana mahomby eny amin’ny karazana tribonaly mahefa eo an-toerany manoloana ny hetsika mandika ny zo fototra izay omen’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ho azy.

Andininy 9

Tsy misy azo tanana na gadraina na asesitany boraingina.

Andininy 10

Ny isambatanolona dia manan-jo, am-pitoviana feno, mba ho henoin’ny tribonaly, ara-drariny sy imasombahoaka, mahaleotena sy tsimitanila, izay hanapaka, na ny amin’ny zony sy ny adidiny, na ny amin’ny mahamaripototra izay ampanga amin’ny lafiny famaizana mianjady aminy.

Andininy 11

  1. Izay olona rehetra voampanga amin’ny hetsika mahameloka dia heverina ho tsimanantsiny mandrapaha voamarina araky ny lalàna ny fahamelohany mandritrana fitsarana imasombahoaka izay mahafeno ny antoka rehetra ilainy ahafahany miaro tena.
  2. Tsy misy ho melohina noho ny hetsika na fanadinoana izay, amin’ny fotoana itrangany, tsy hetsika mahameloka araky ny lalàna an-toerana na iraisam-pirenena. Mitovy amin’izay ihany, tsy hisy sazy ampiharina mafy kokoa noho izay afaka nampiharina tamin’ilay fotoana nitrangan’ilay hetsika mahameloka.

Andininy 12

Tsy misy azo iharan’ny fitsabahana boraingina ao amin’ny fiainantsamireriny, ny fianakaviany, ny ankohonany na ny taratasiny, na ny famelezana ny voninahiny sy ny lazany.

Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fiarovan’ny lalàna manoloana izany fitsabahana na famelezana izany.

Andininy 13

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fahalalahana hivezivezy sy hisafidy ny toeram-ponenany anatin’ny faritry ny fanjakana iray.
  2. Ny isambatanolona dia manan-jo hiala ny firenena na aiza na aiza, ao anatin’izany ny anazy, ary hiverina any amin’ny fireneny.

Andininy 14

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo hitady sy hahazo tombony amin’ny fialofana any amina firenena hafa manoloana ny fanenjehana.
  2. Izany zo izany dia tsy azo antsoina raha resaka fanenjehana mari-pototra amin’ny heloka tsy ara-politika na fihetsika mifanohitra amin’ny tanjona sy ny fotokevitry ny Firenena Mikambana.

Andininy 15

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo hizaka zompirenena.
  2. Tsy misy na olona iray aza afaka maningotra boraingina ny zompireneny, na mandà ny zony hiova zompirenena.

Andininy 16

  1. Ny lahy sy ny vavy feno taona, tsy misy famerana noho ny firazanana, zompirenena na vondrompinoana, dia manan-jo hanambady sy hanorina tokantrano. Manan-jo mitovy ry zareo eo anatrehan’ny fanambadiana, mandritra ny fanambadiana ary amin’ny fisarahana.
  2. Ny fanambadiana dia tsy hirosoana raha tsy avy amin’ny fankatoavana malalaka sy fenon’ireo mifofo hivady.
  3. Ny fianakaviana dia vondrona voajanahary sy fototra eo anivon’ny fiarahamonina ary manan-jo amin’ny fiarovan’ny fiarahamonina sy ny fanjakana.

Andininy 17

  1. Ny isambatanolona, na irery na miaraka amin’ny hafa, dia manan-jo hanana fananantsamirery.
  2. Tsy misy na olona iray aza afaka maningotra boraingina ny fananany.

Andininy 18

Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fahalalahana mihevitra, fahalalahan’ny feon’ny fieritreretana, sy ny fahalalahana hisafidy vondrompinoana; izany zo izany dia ahitana ny fahalalahana miova vondrompinoana na finoana, sy fahalalahana maneho ny vondrompinoany na ny finoany, na samirery na iombonana, na ankalamanjana na tsia, amin’ny alalan’ny fampianarana, fanompoam-pivavahana, fitsaohana, na fomba.

Andininy 19

Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fahalalahana misaina sy maneho fihevitra, izay miharo zo amin’ny fahalalahana mitana fihevitra tsy misy sakantsakana sy amin’ny fikarohana, fahazoana ary fanelezana ita sy hevitra amin’izay endrika rehetra misy, tsy an-kijery sisin-tany.

Andininy 20

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fahalalahana mivory sy mikambana am-pilaminana.
  2. Tsy misy na iza na iza azo terena hiditra fikambanana.

Andininy 21

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo handray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakan’ny fireneny, na mivantana, na amin’ny alalan’ny solontena voasafidy an-kalalahana.
  2. Ny isambatanolona dia manan-jo mitovy hiditra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakan’ny fireneny.
  3. Ny sitrapon’ny mponina no fototry ny fahefam-panjakana; izany sitrapo izany dia miseho amin’ny alalan’ny fifidianana misokatra amin’ny rehetra, ara-drariny, madio sy mitsingerina ary latsa-bato miafina na manaraka fomba tsy mifankaiza amin’izay manome antoka ny fahalalahan’ny fifidianana.

Andininy 22

Ny isambatanolona, amin’ny maha mpikambana ny fiarahamonina azy, dia manan-jo amin’ny fiahiana ara-tsosialy sy manan-jo amin’ny fankasitrahana ny zo ara-toekarena, ara-tsosialy sy ara-kolontsaina izay zava-dehibe loatra ho an’ny fahamendrehany sy ny fivelarany an-kalalahana ny mahaizy azy, amin’ny alalan’ny ezaka eo amin’ny firenena sy ny fiarahamiasa iraisampirenena, ary mifanaraka amin’ny fandaminana sy ny loharanon-karen’ny fanjakana tsirairay.

Andininy 23

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo hiasa, hisafidy an-kalalahana ny asany, ao anaty fepetra ara-drariny sy mahafapo ny fanaovana ny asa sy ny fiarovana manoloana ny tsifanananasa.
  2. Ny isambatanolona, tsy an-kanavaka, dia manan-jo handray karama mitovy manoloana asa mitovy.
  3. Ny isambatanolona miasa dia manan-jo handray karama ara-drariny sy mahafapo manome antoka azy sy ny ankohonany fiainana mifandray amin’ny fahamendrehana ary, raha ilaina, fenoina fiahiana ara-tsosialy hafa.
  4. Ny isambatanolona dia manan-jo hanangana sy hiditra sendikà ho fiarovana ny tombontsoany.

Andininy 24

Ny isambatanolona dia manan-jo haka aina sy hiala voly, ao anatin’izany ny famerana ara-drariny ny ora fiasana sy ny fialan-tsasatra andraisan-karama.

Andininy 25

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo hanana fari-piainana sahaza manome antoka ny fahasalamany sy ny fiadanam-pisiany sy ny an’ny ankohonany, ao anatin’izany ny sakafo, ny akanjo, ny trano sy ny fitsaboana sy ny fanampiana ara-tsosialy ilaina, sy ny zo ho an’ny fiarovana raha sendra tsy manana asa, marary, fahasembanana, mananotena, fahanterana na tsifahampiana fivelomana samihafa noho ny toe-javatra tsy voafehiny.
  2. Ny reny sy zaza dia manan-jo ho ana fanampiana sy tosika manokana. Ny zaza rehetra, na teraka tao anatin’ny fanambadiana na tsia, dia mahazo fiarovana ara-tsosialy mitovy.

Andininy 26

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo hahazo fanabeazana. Ny fanabeazana dia maimaimpoana, farafaharatsiny eo amin’ny dingana manaloha sy fototra. Ny fanabezana manaloha dia tsy maintsy atao. Ny fanabeazana ara-tekinika sy arak’asa dia misokatra ho an’ny rehetra; ny fampianarana ambony dia azon’ny rehetra idirana, miankina amin’ny fahaizany.
  2. Ny fanabeazana dia miompana amin’ny fampivoarana feno ny mahaizy ny olombelona sy ny fanamafisana ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra. Mampiely ny fifankahazoana, ny fandeferana sy ny fisakaizana eo amin’ny firenena rehetra, ny firazanana rehetra, ny vondrompinoana rehetra, ary ny firoboroboan’ny hetsiky ny Firenena Mikambana ho an’ny fitandroana ny fandriampahalemana.
  3. Ny ray aman-dreny dia manan-jo hisafidy ny fanabeazana homeny ny zanany, izy no laharampahamehana amin’izay safidy izay.

Andininy 27

  1. Ny isambatanolona dia manan-jo handray anjara an-kalalahana amin’ny fiainana ara-kolontsain’ny mpiara-belona aminy, hankafy ny haikanto sy handray anjara amin’ny fivoarana ara-tsiantsa sy ny tombontsoa azo avy aminy.
  2. Ny isambatanolona dia manan-jo amin’ny fiarovana ny tombontsoa ara-moraly sy ara-materialy ateraky ny vokatra ara-tsiantsa, literatiora sy haikanto izay izy no namorona azy.

Andininy 28

Ny isambatanolona dia manan-jo hanana lamina ara-piarahamonina sy iraisam-pirenena izay ahafahan’ny zo sy ny fahalalahana ambaran’ity Fanambarana ity hivelatra hatramin’ny farany.

Andininy 29

  1. Ny isambatanolona dia manana adidy manoloana ny fiarahamonina hany ahafahan’ny fivoaran’ny mahaizy anaty fahalalahana sy fahafenoana.
  2. Ao anatin’ny fampiharana ny zony sy ny fahalalahany, ny isambatanolona dia voafaritry ny lalàna fotsiny ihany mba ho antoky ny fankatoavana sy ny fanajana ny zo sy ny fahalalahan’ny hafa ary mba hahafapo ny fitakiana ara-drarin’ny fitsipipitondrantena, ny filaminam-bahoaka sy fiadanan-tsaina ankapobeny ao anaty fiarahamonina ara-demokrasia.
  3. Ireto zo sy fahalalahana ireto dia tsy mahazo, na inona antony na inona, mihatra am-panoherana ny tanjona sy ny fotokevitry ny Firenena Mikambana.

Andininy 30

Tsy misy na inona na inona ao anatin’izao Fanambarana izao ka azo adika ho teny ankolaka ho ana Fanjakana, na vondron’olona na olon-tokana, ka hananany zo na inona na inona, hirosoany amina hetsika na hanatanterahany tranga mikendry ny fandravana izay mety zo sy fahalalahana voarakitra ato.

***

Loharano:

--

--

mose njo

auteur sci-fi, founder of pepero ✨ "a madagascan renaissance man", according to google bard, chatgpt 4o and perplexity 👉 https://mosenjo.xyz/